NY AHAZAHOANAO VOKATRA
Uncategorized RéagirNY AHAZAHOANAO VOKATRA
NY VOKATRA TSY HO AZONAOAleo aloha ny vokatra tsy mety ho azonao no hanom-bohana azy.Rom6 : 23 Fa fahafatesana no tambin’ny ota.Tsy manota aloha; far aha vao manota ianao dia misy vokatra ratsy izay aterak’iny.Raha zavatra ota na mampanota izany dia tsy ho azonao na ovina izany.Ny zavatra rehetra azonao atao fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa.Raha zavatra tsy mahasoa koa dia tsy tsara aminao ny mahazo izany.Ny tsy mahasoa izany dia ohatra mangataka cake 10 amin’ny Dadanao.NY VOKATRA AZONAO ALAINARehefa tsy ota sy tsy mampanota dia azonao alaina.Isan’izany ny miakanjo noho i Solomona; sy ny misakafo noho i Solomona. Tena mihaingo be izany sy tena misakafo be f ahoy i Jesoa hoe : ianareo mihoatra noho ny vonin-kazo ary ny vonin-kazo mihoatra noho Solomona tamin’ny voninahiny. Dikany mihoatra noho i Solomona ianareo raha fitafiana no resahana. AHOANA NO ATAO RAHA TE HAHAZO VOKATRA ?Mila mazava aminao tsara ny fomba atao rehefa maka vokatra. Dia arahanao tsara izany fa tsy maintsy azonao ilay vokatra.Volazan’I Jesoa ny teknika atao raha te ahazo vokatra.Ho jerentsika ny miteraka ny vokatraNy fo (tany tsara; fo nofo)Isa 55 : 10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy. Io tenin’Andriamanitra mifafy amin’ny olona io ve izany tsy maintsy mitondra vokatra; satria tsy miverina foana io raha tsy ambinina ? Raha izany dia ahoana ireny olona be dia be ireny, ny hitanao dia tsisy vokany aminy akory ilay teny. Ka tsy izany no tiany am-bara eto.
Ny anoharany azy eto dia ranonorana milatsaka eo amin’ny tany. Ka io tany io izany tsy maintsy mitroka ilay ranonorana, tafiditra any amin’ilay tany ny ranonorana. Mifoka ny ranonorana ilay tanyDia izay vao mamokatra. Izany hoe tsy maintsy tafiditra any am-pon’ilay olona ilay teny, tsy maintsy tafalatsaka any anatin’ilay olona ilay teny, na tsy maintsy mino iny teny iny ilay olona. Tena mifanaraka tanteraka amin’ny Mat 13 izany, izay mitantara ny mpamafy sy ny fon’ny olona amafazana ilay teny, ka ambarany mazava eo; fa ny tany tsara (mitroka ny ranonorana) dia mamoa avo zato heny aza.
Lazainy amin’io Mat 13 io fa ny vatolam-py, n a ny tany misy tsilo, n any tany marivo tsy mba mamoa. Satria na milatsaka tokoa aza ny ranonorana, ambony vatolam-py no ilatsahany, dia toy ny rano atondraka gisa fotsiny izany; tsy misy tafiditra any antin’ilay olona.Fehiny : ny teny afafy ao am-pon’ny olona, ka raha fo nofo dia mamokatra ilay teny; far aha fo vato kosa dia tsisy vokany ny teny.Dikany ny fo izany no mamokatra; arakaraka ny fo izany no vokatra.Ny jiro (ny maso)
Ny baiboly dia milaza fa ny jiro no manazava ny trano; ka apetraka eny amin’ny talaky maso ny jiro mba hazava tanteraka ny trano. Ny jiro izany no fanazavana ny trano.Ny lazain’ny Baiboly koa dia ny maso no jiron’ny teny, ary arakaraka ny maso no mahamaizina na mampahazava ny tena. Raha maizina ny jiro, dia maizina izany ny tena; far aha mazava kosa ny jiro dia mazava ny tena. Ny maso na ny fijery izany no jiro, ary io maso no mahatonga ny vokatra. Arakaraka ny maso no vokatra. Raha maizina io maso io dia ny vokatra dia “hanahoana izany fahamaizinana izany”, fa raha mazava kosa io dia hazava ny tena manontolo.Lio 11 : 33 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’izay miditra ny mazava.34 Ny masonao no jiron’ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.35 Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.36 Ary amin’izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.Mat 5 : 15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany.Ny finoanaAny amin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly indray dia ny finoana no ambarany fa mahatonga ny vokatra
Mark 6 : 5 Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin’ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.6 Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany.Lio 12 : 28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?Mat 17 : 19 Dia nankao amin’i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?20 Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihanyLiok 17 : 5 Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
Lio 17 : 19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
Mark 4 : 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?Mark 6 : 51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.52 Ary tsy fantany ny amin’ny mofo; fa efa mafy ny fony. (na efa adala ny fony)Mark 9 : 22 fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.Mark 11 : 22 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’Andriamanitra.23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.Ny sofinaNy miteraka ny vokatra koa dia ny sofina.
Lio 8 : 18 Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.Tandremo ny henonao ao an-tsainao; tandremo ny henonao ao an-dohanao sao dia tsy manana; marary no feo henonao ao dia izay no vokatra azonao;Fa raha salama ianao, manan-karena ianao, tsara tarehy ianao no feo renao ao an-dohanao, izay no ren’ny lohanao dia tonga amianao ireo.Ny sofina izany no miteraka ny vokatra; araka izay henonao io, araka izay henonao ao an-dohanao; araka izay henonao ao an-tsainao.Izay manan-tsofina aoka izy hihaino (dia heno ao an-tsaina io; heno ao an-doha) Raha izany aloha dia
- ny fo izany no mahatonga ny vokatra
- ny maso izany no mahatonga ny vokatra
- ny finoana izany no mahatonga ny vokatra
- ny sofina izany no mahatonga ny vokatra
Zavatra iray ihany anefa ireo. Ny fo na ny tany dia ny mason a ny fijery na ny fahitana na ny feo ren’ny lohanao dia iray ihany izany, ary tsy inona daholo izany fa ny finoana ihany.Mila mazava tsara aminao aloha io. Rehefa mazava aminao io dia tsy misy teknika hafa fa io ihany.Mila hainao ny mifehy io teknika io.Ohatra : raha vola no resahana dia ahoana ny fijerinao ny vola : misy sa tsy misy ?Ahoana ny finoanao : manam-bola sa tsy misy ny vola ?Feo ahoana no renao ao an-dohanao : misy ny vola sa tsisy ny vola ?Ahoana ny fonao raha misy toriteny momba ny vola : fo nofo manantena fa tonga ny vola sa fo vato tsy mino fa ho tong any vola ?Dia arakarak’izay ny vokatra.Raha toa izany ny fijerinao ny vola (ny fahitanao ny vola, ny masonao mijery ny vola, ny finoanao, ny ao anatiny, ny ao an-tsainy) dia be dia be; dia araka izany no vokatra. Dia araka ny teny hoe “tongava aminao araka izay inonao “ sy ny hoe “as a man thinketh he is” (araka izay saininy, inoana, fijeriny dia izay ny olona)Diniho tsar any fampianaran’I Jesoa rehetra fa izay no izy.
NY VOKATRA DIA ARAKARAKA NY FIJERINAO, NY FINOANAO, NY AO ANATINAO IRERY IHANY.KA NY FIJERINAO, SY NY FINOANAO ALOHA APETRAKA TSARADIA MANARAKA HO AZY EO NY VOKATRA. TADIDIO FA TSY MISY VOKATRA HO AZY AMIN ‘IZAO EO, FA TSY MAINTSY AVY AMIN’NY FIJERY NO MITERAKA INY. MIFEHY TENA MIHITSY KA NY MASO TSY AVELA HAHITA AFATSY NY TIANAO HO HITA (ao an-doha, ao an-tsaina), NY SOFINA TSY AVELANAO AHARE AFATSY NY TIANAO HO RE (ao an-dohanao izany; ao an-tsaina). FEHEZO NY SAINAO SY NY ERITRERITRAO. Izany no atao hoe miady “tsaran”ny finoana.Matoa tsy mitranga ny vokatra dia mbola tsy vitanao ny ady, fa tsy ataonao mahakivy izany fa mandrosoa foana.NY VOKATRANy olona io dia tsy io vatana io akory no ilay olona, fa hoy ny Baiboly teny anglisy Oha 23 : 7 “For as one that hath reckoned within himself so is he”“as a man think so is he”.Arakaraka izay saininy dia iny ilay olona.Hoy ny fizisiana hoe izao zavatra rehetra izao dia tsy misy na iray aza mivaingana, fa angovo mandeha amin’ny haingam-pandeha faran’izay haingana. Io vatanao io raha jerena amin’ny microscope tena tsara dia ahitana atoma, izay ahitana singa kely be tsaka mandeha amin’ny hafainganam-pandeha faran’izay haingana. Ka zavatra mihetsika izany io vatanao hitanao io fa tsy hoe zavatra mivaingana be eo, tsy mihetsika.Dia hoy ny olona sasany hoe arakaraka ny eritreritr’ilay olona, ny saininy no mampiova ireo angovo ireo; ary ireo angovo ireo indray no miantraika amin’ny vatana ka manova ny vatana.Ny baiboly no manaza azy tsara : NY OLONA DIA IZAY SAININY.
IZAY SAININY DIA INY NO MITRANGA EO;Ny vatana izany dia tsy io vatana io akory FA IZAY SAININ’ILAY OLONA MOMBA ILAY VATANY DIA INY NO MITRANGA EO.
Raha salama no saininy dia salama no mitranga eo.Fa tsy hoe io vatana io fotsiny fan a io nify io aza dia izay saininy no mitranga eo.Dia toy izay daholo ny zavatra rehetra : IZAY SAININA NO TONGA EONy vola dia izay saininy no tonga eo. Be dia be ny vola no saininy dia izay no tonga eo; tsy misy ny vola no saininy dia izay no tonga eo.NY SAININA IZANY NO TENA ZAVATRA FA “MANIFESTATION” FOTSINY NY MANARAKA EO (vola taratasy, fahasalamana, sns).“Manifestation”ny sainina io zavatra tonga io.NY JAMBA-NY LALODALOVANA KA TSY MAHAZO VOKATRASal 119: 62 Fa tsara Ianao sy Mpanao ny tsara.Voalaza eo fa tsara Andriamanitra.Ny ato amin’ny Baiboly tsy misy zavatra tsara miteraka zavatra ratsy; fa rahefa tsara ilay zavata dia tsy maintsy tsara no avokany ary ny tsara irery ihany..Jak 3 : 11 Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany?12 Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva, na ny voaloboka mamoa voan’aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ny mamy.Mat 7 : 16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo?17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.Andriamanitra tsara koa ao anatin’izany Sal 119: 62 Fa tsara Ianao sy Mpanao ny tsaraAndriamanitra tsy manao ratsy. Na inona na inona ratsy, dia tsy avy amin’Andriamanitra.Andriamanitra tsy manajamba, tsy mampahalalodalovana ny olona.Ny hoe ataovy adala ny fon’ny olona, na hoe ataovy pahina ny masony dia fomba ilazan’ny Baiboly ny olona jamba sy mafy fo, fo vato. Ilay olona ihany no anton’izany fa tsy Andriamanitra velively. Raha tsy sitra ilay olona dia satria ilay olona no manana fo vato, fo tsy mino, maso jamba.Far aha maheno ny sofina, na mahalala ny fony na koa mahita ny masony, izany hoe mino izy dia ho sitrana.Lio 8 : 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.Hazava aminao ireto teny lazain’ny Baiboly ireto.
Isa 6 : 9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.10 Ataovy adala ny fon’ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.Jao 9 : 39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. 40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
Jao 12 : 37 Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, 38 mba hahatanteraka ny teny nataon’Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah? (Isa. 53. 1.)39 Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia: 40 Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).
Mat 23 : 26 Ry Fariseo jamba! Mark 8 : 16 Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany. 17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo? 19 Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ny folo.20 Ary raha ny mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito. 21 Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?Mark 7 : 16 [Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino]Mark 4 : 20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina* va ny jiro mba hosaronan’ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ny farafara? Tsy hatao amin’ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy]22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.25 Fa izay manana no homena; ary ny amin’ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.Mark 4 : 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.Mat 13 : 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.9 Izay manan-tsofina*, aoka izy hihaino. [*Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.14 Dia tanteraka aminy ny faminanian’Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;15 Fa efa adala ny fon’izao olona izao(mafy ny fony). Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).16 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.Mazava be io; mandre ny teny fa tsy mahalala ka ny reny ao an-dohany, ny reny ao an-tsainy dia ny marary aho; mahantra aho; tsisy ny sakafo sy ny sisa dia izay no tonga aminy.))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))))
HERINAVALONAIVO 199 BIS ANTOHOMADINIKA ATSIMOANTANANARIVOHr_naval@yahoo.frnavalhr@yahoo.fr